<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>H. Duvernoy</author>
<lyrics>[V1]
 Efa resy izao na dia ny fasana
 aza
 Ka asandrato re ny hira sy ny
 feo
 Jesosy nampikoy 'lay rafy
 'zay nandoza,
 &quot;Ry fahafatesana ô ! aiza
 moa ny herinao ?&quot;

[V2]
 Lasa ilay tahotrao, ry foko
 'zay malemy
 Fa torotoro 'zao ny
 fahavalonao,
 Tsy nahatohitra ny sandrin'i
 Jesosy
 &quot;Ry fahafatesana ô ! aiza
 moa ny herinao ?&quot;

[V3]
 Efa lasa tokoa ny ozona
 rehetra,
 Nasehon'i Jeso miharihary
 izao,
 Ny fitiavany izay tsy misy
 fetra !
 &quot;Ry fahafatesana ô ! aiza
 moa ny herinao ?&quot;

[V4]
 Kristy no santatra : ny làlana
 mankany
 Ho ao an-tranon-dRay,
 mivoha tsara izao,
 Ny fifaliana manerana ny
 tany !
 &quot;Ry fahafatesana ô ! aiza
 moa ny herinao ?&quot;

[V5]
 Kristy no fiainana : izay
 matahotra Azy
 Omeny tanjaka, fanahy, fo
 vaovao,
 Ka atony velona, Mpandresy
 tahaka Azy.
 &quot;Ry fahafatesana ô ! aiza
 moa ny herinao ?&quot;</lyrics>
<title>Efa resy izao na dia ny fasana aza FFPM141</title>
<hymn_number>141</hymn_number>
</song>